Revelation of John 17

1Iray tamin’ireo anjely fito izay nitazona ireo lovia volamena fito nanatona sy niteny tamiko hoe: “Avia, ho asehoko anao ny sazin’ny mpijangajanga lehibe izay mipetraka ambony rano maro. 2Niaraka taminy no nampijangajanga an’ireo mpanjakan’ny tany. Ny divain’ny fijangajangany no nahamamo ireo mponin’ny tany.”

3Avy eo ilay anjely nitondra ahy tamin’ny Fanahy tany amin’ny tany karakaina, ary nahita vehivavy nipetraka teo ambony bibi-dia mena izay feno anarana teny ratsy aho. Ilay bibi-dia dia manana loha fito sy tandroka folo. 4Ilay vehivavy dia niakanjo voloparasy sy mena ary voaravaka volamena, vato sarobidy, ary vato soa. Izy dia nitazona tamin’ny tanany kapoaka volamena feno ireo zavatra maharikoriko sy ireo tsy fahadiovan’ny fijangajangany. 5Teo amin’ny handriny no nisy anarana manana dikany miafina voasoratra hoe: “Babilona lehibe, ilay renin’ireo mpijangajanga sy ny zavatra maharikorikon’ny tany.”

6Nahita aho fa ilay vehivavy dia mamon’ny ràn’ireo mpino sy ny ràn’ireo martiry ho an’ i Jesosy. Rehefa nahita azy aho, dia tena talanjona. 7Fa ilay anjely niteny tamiko hoe: “Maninona no talanjona ianao? Ho azavaiko anao ny dikan’ilay vehivavy sy ilay bibi-dia izay mitondra azy, ilay bibi-dia izay manana loha fito sy tandroka folo.

8Ilay bibi-dia izay hitanao dia misy, fa tsy misy ankehitriny, fa andalam-piakarana avy any amin’ny farany ambanin’ny lavaka tsy hita noanoa. Avy eo dia hankany amin’ny fahasimbana izany. Ireo izay miaina ambony tany, ireo izay tsy voasoratra ao amin’ny Bokin’ny Fiainana hatramin’ny namoronana an’izao tontolo izao ny anarany- ho gaga izy ireo rehefa hahita fa ilay bibi-dia dia misy, fa tsy misy intsony ankehitriny, fa andalam-pihaviana.

9Miantso saina izay manam-pahendrena izany. Ireo loha fito dia vohitra fito izay hipetrahan’ilay vehivavy. 10Izy ireo ihany koa dia mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, anankiray no misy, ary ny hafa dia mbola tsy tonga; rehefa tonga izy, dia fe-potoana kely ihany no hitoerany.

11Ilay bibi-dia izay misy, fa tsy misy ankehitriny, mpanjaka fahavalo izy; kanefa iray amin’ireo mpanjaka fito izy, ary hankany amin’ny fahasimbana.

12Ireo tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay mbola tsy nandray fanjakana, fa hahazo fahefana tahaka ny mpanjaka miaraka amin’ilay bibi-dia -mandritry ny adiny iray izy ireo. 13Firaisan-tsaina izany, ary izy ireo dia hanome ny hery sy ny fahefan’izy ireo an’ilay bibidia. 14Hanangan’ady manohitra ny Zanak’ondry izy ireo. Fa ny Zanak’ondry no handresy azy ireo satria Izy no Tompon’ny tompo, ary Mpanjakan’ny mpanjaka-ary miaraka aminy ireo voaantso, ireo voafidy, ary ireo manam-pinoana.”

15Hoy ny anjely tamiko: “Ireo rano izay hitanao, teo amin’ilay nipetrahan’ilay mpijangajanga, no olona, vondron’olona, firenena, ary fiteny.

16Ireo tandroka folo izay hitanao-izy ireo sy ilay bibi-dia dia hankahala an’ilay mpijangajanga. Ho ataon’izy ireo lao sy mitanjaka izy, handrovitra ny nofony izy ireo, ary handoro azy tanteraka amin’ny afo. 17Fa Andriamanitra efa nametraka izany tao am-pon’izy ireo mba hanatanteraka ny fikasany amin’ny faneken’izy ireo hanome ny herin’izy ireo hitondrana ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.

Ary ravehivavy, ilay hitanao no tanàna lehibe izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany.”

18

Copyright information for PltULB